Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – «Afrique Australe» : ho fantatra anio ny ekipam-pirenena

Tenisy – «Afrique Australe» : ho fantatra anio ny ekipam-pirenena

Hotanterahina anio, etsy amin’ny kianja Acsa Ambohidahy, ireo lalao famaranana, hifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, ho an’ny isan-tarika, sokajy U12. Fihaonana, hampiantranoan’i Madagasikara ny 13 ka hatramin’ny 17 may ho avy izao.

Hatreto aloha, efa fantatra ireo mpilalao 2 lahy sy 2 vavy tafita amin’izany, dia Rasendra Miotisoa sy Razakaniaina Maholy, eo amin’ny vehivavy. Izy mirahavavy, izay hiatrika ny famaranana. Raha tsiahivina, resin’i Miotisoa teo amin’ny manasa-dalana, i Mialy ary lavon’i Maholy kosa i Randy. Hiady ny toerana fahatelo izany izy mirahavavy raraka teo ankatoky ny famaranana.

Efa nahazo ny tapakila kosa Razafinjato Ugo sy Rovanantenaina Johny, ho an’ny lehilahy. Hiady ny famaranana ihany koa izy roa lahy. Lavon’i Ugo teo ankatoky ny famaranana, i Anthony Mahefa ary resin’i Johny kosa Rafidiarison Harena. Hifampitana eo amin’ny fiadiana ny tapakila farany i Harena sy i Mahefa.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.