
Tsy manaiky hatramin’ny farany ary tena sarotiny mihitsy. Nanamafy indray ny amerikanina amin’ny alalan’ny masoivohony miasa eto amintsika, Robert Yamate, omaly tetsy Analakely ny amin’ny tokony hanohizana ny fitsarana ny « Raharaha Razaimamonjy Claudine ».
Mazava sy tsotra na somary ankolaka ihany aza. « Raharaha mbola eny amin’ny fitsarana izy io… Faly izahay fa efa tafaverina an-tanindrazana izy rehefa nahazo fitsaboana. Mampalahelo anefa fa mbola any amin’ny hopitaly… Aleo hitohy ny fitsarana ary tsy tokony asiana resaka politika na fitsabtsabahana satria raharaha lehibe manan-danja ho an’ny malagasy io… Irariana mba ho tontosa hatramin’ny farany ny fitsarana », hoy ny ambasadaoro Robert Yamate, tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, omaly. Tsy vao voalohany ny fanehoan-kevitry ny amerikanina ao ambadiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ity raharaha ity. Tsy mifanalavitra amin’izany ny nambaran’i Robert Yamate teny Andafiavaratra ny 13 avrily teo ary mbola notsiahiviny ihany indray, omaly. “Tokony hiverina eto ary hiatrika ny fitsarana azy sy hiaro tena izy. Fitsaboana no naleha tany ka rehefa vita izany, tokony hiatrika fitsarana ny tenany”, hoy izy. Nambarany fa nanao ny asany mifanaraka amin’ny lalàna ny Bianco tamin’io raharaha io. Nampitainy amin’ny CPAC etsy 67 ha izany. “Vita ny asan’ny teny amin’ny fitsarana mijirika ny kolikoly… Manohana 100% ny fandraisana andraikitry ny Bianco izahay amin’ny fanajana ny tany tan-dalàna ary manantena izahay fa ho tahaka izany koa ny ho tohiny ho fanajana ny lalàna”, hoy ihany ny amerikanina.
Tsy midika ho fitsabahana…
Notsiahiviny fa nisy ny fitanana am-ponja vonjimaika (MD) ka irariana mba harahina araka ny tokony ho izy ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Na izany aza, nilaza ho tsy mitsabaka ny asan’ny fitsarana sy ny Bianco ny Amerikanina. “Manara-maso ety ivelany fotsiny ihany izahay… Na aiza na aiza, na eto Madagasikara na any Etazonia, misy ny rafi-pitsarana sy ny dingana rehetra ka tokony harahina izany”, hoy ihany izy.
Araka izany, miandry ny ho tohin’ny raharaha ny rehetra. Tsy ny eto an-toerana ihany fa ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mihitsy.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.