Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : ny kely sisa tavela

Raha mbola velon’aina hono, tsy foana ny fanantenana. Samy manana ny maha-izy azy moa ka tsy tapitra hitovy daholo ny zavatra antenain’ny tsirairay. Miainga avy amin’ny fiandrandrana hivoaka avy ao anatin’ny fahasahiranana mandifotra ka mipaka hatrany amin’ny faniriana hitomboan’ny harena ilomanosana. Ny ankamaroan’ny vahoaka eto amin’ny Nosy amin’izao fotoana izao dia tototry ny fahasahiranana. Ny hany sisa  andrandrainy dia ny fanamaivanana ny vesatr’izany mba ahafahany misento kely. Nofinofy sisa izany fahasambarana izany. Zara fa mitsilopilopy ny fanantenana ahatongavana any amin’ny faritra na tsy atao hoe ahafahana miadakadana aza fa mba hamela hitsotsotra tsy ho kikisan’ny adin-tsaina. Toy ny tratran’ny fahasemporana mitanatana fotsiny ny vava mba ahazoana rivotra. Izay sisa afaka ataon’ny tena, indrindra moa raha toa tsy misy ny hikopakopaka amenoana ny rivotra tsy ampy. Eo amin’izay fanadiovana ny rivotra fohan’ny mponina izay no mipetraka ny adidin’ny fanjakana sy ny andraikitry ny mpitondra. Tsapa eto amin’ny fiarahamonina ao anatin’izao tontolo iraisana izao dia manjaka ny tsy fitoviana. Ao ireo be fitroka. Eo ankila akaikiny eo indray anefa dia misy ireo mihanahana toa sempotra lalandava zara raha manana anjara. Ny nofinofy tsy ferana. Samy malalaka handrotsirotsy ny azy, nefa mamita-tena ary mety hahalasa adala ny fitaizana nofy raha toa ny entina arapaka aza tsy misy tokontaniny. Avotr’aina isan’ andro no anjaran’ny maro ka hatao ahagaga ve ny firefarefan’

ny toe-tsain’ny betsaka, mitarika any amin’izao karazana tetika maizina rehetra izao? Izany akory tsy milaza fa ny mpanana tsy voasarika amin’izany fakam-panahy izany. Rehefa samy mandeha samy mitady dia lasa itovizana izay toe-tsaina izay. Tsy tokony atao ahataitra ny fitomboan’isan’ireo mirona any amin’ny fanaovana asan-jiolahy. Tsy mamafa na manamaivana ny heloka ataon’ny jiolahy na totankely na ny dahalo izany fa manambara kosa fa tsy ny fanenjehana azy ireny fotsiny, izay ady tsy maintsy iezahana, dia atao ampy ho antoky ny famerenana fandriampahalemana, fa any ifotony koa dia tsy azo atao ambikambin’adidy ny fanarenana ny vahoaka hitraka mba hivoaka ny fahasahiranana mandifotra lalina any amin’ny  fahantrana. Mifandray ny taham-pahendrana sy ny firongatry ny asa ratsy mandrava ny filaminana. Raha samy mandeha ila ny ezaka entina isorohana ireo aretimbe mikiky ny mponina ireo dia herim-po very maina. Ny fandrariana ny filolohavana ny ezaka roa tonta eo amin’izany no andraikitry ny governemanta miray hina. Ivelan’izay dia kabary sy fihetsiketsehana, ravaky ny asa raha toa misy ny asa. Ny vahoaka irery ihany no hany afaka hitsara arakaraky ny vokatra tsapany miantefa eo amin’ny andavanandron’ny tontolo iainana.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.