Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Pnud : « Aoka tsy hailika ny vehivavy »

Pnud  : « Aoka tsy hailika ny vehivavy »

Hitohy, anio etsy Ankorondra           no, ny atrikasa ho an’ny vehivavy mpitarika sy ho anisan’ny mpanapa-kevitra hitondra any amin’ny fitoniana sy ny demokrasia. Mikarakara izany ny eo anivon’ny Pnud. « Zava-dehibe izao fahavitrihanareo izao amin’ny hanomezana andraikitra bebe kokoa ny vehivavy mpitarika sy hametrahana amin’ny toerana sahaza azy ireo izao. Hahatongavana amin’ny fampihavanana, ny fandrindrana ny fiarahamonina sy ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena ary koa ho amin’ny fitoniana politika ny fanomezan-danja ny vehivavy… Aoka tsy hailika ao anatin’izany rehetra izany izy ireo », hoy ny solontenan’ny Pnud,  Violet Kakyomya, tamin’ny lahateny fanokafana, omaly. Nohitsiny fa mitaky finiavana amin’ny fitondrana izany. Notanisainy ny tsy tokony hisehoan’ny fanilikilihana sy ny herisetra ao an-tokantrano… « Mbola lavitra ny lalana ary eo koa ny sakana samihafa », hoy ihany izy. Notsiahiviny ireo antontanisa tsy maintsy hametrahana fanamby ny hampiakarana izany.  29 ihany ireo vehivavy depiote amin’ireo 151 eny Tsimbazaza. 21% ihany izany eo anivon’ny Antenimierandoholona ary 20 % ao amin’ny governemanta. Tsy misy, na iray aza, vehivavy lehiben’ny faritra. « Midika ireo fa tena mbola ambany ny tahan’ny fampandraisana anjara ny vehivavy eo amin’ny politika. Tsy hipetraka ny fitoniana maharitra raha misy ampahan’olona voailika… Sekoly voalohany eo amin’ny fiainana anefa ny vehivavy amin’ny maha reny azy », hoy ihany ny Pund. Tanjon’ny atrikasa ny hijerena ireo sakana samihafa tsy ahafahan’ny vehivavy mandray anjara amin’ireo adihevitra samihafa, ny fampihavanam-pirenena, ny fametrahana filaminana sy fitoniana…

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.