
Hotontosaina, ny 3 hatramin’ny 17 jona ho avy izao, ny « Festival Gasy Bulle », andiany faha-13. Hetsika miompana amin’ny fanandratana ny tantara an-tsary sy ny sariitatra eto Madagasikara izy ity. Tafiditra ao anatin’izay ny fifaninanana tantara an-tsary, karakarain’ny “BMOI, Amie des arts”.
Taorian’ny fanohanana ny sokitra, ny hosodoko ary ny sary pika, mitodika amin’ny sariitatra sy ny tantara an-tsary indray ny hetsiky ny “BMOI, Amie des arts”. “Madagasikara rahampitso” ny lohahehvitra iompanan’ny fifaninanana amin’ity, izay hizara ho sokajy telo. Mila mandefa “planches” dimy na enina ny ao amin’ny sokajy “professionnel”. “Planches” roa na telo hoan’ny sokajy “espoir” ary “planche” tokana ihany kosa ho an’ny “dessin de presse”.
Mbola manana hatramin’ny 26 mey ireo liana te hifaninana, hanateran’izy ireo ny sanganasany. Azo apetraka ao amin’ny IFM Analakely, IKM Antsahavola, eny amin’ny Alliances françaises rehetra, eny amin’ny Craam Ankatso ary ireo masoivohon’ny BMOI izany.
Zo ny Aina
Les commentaires sont fermées.