Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Chan 2018» : mpilalao 18 mirahalahy no lasa any Malawi

Kitra – «Chan 2018»  : mpilalao 18 mirahalahy no lasa any Malawi

 Nanainga, io maraina io, ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao miverina amin’ny fifanintsanana, hiadian-toerana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2018”.

 

Tsy nanova ireo mpilalao teo am-pelatanany ny mpanazatran’ny Barea de Madagascar, fa ireo 18 niatrika ny lalao mandroso, tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny herinandro lasa teo ihany no hiatrika ny lalao miverina, hifandonana amin’i Malawi.

Fihaonana tafiditra amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny toerana hahafahana miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2018”.

Safidin’ny mpanazatra ny tsy hanova azy ireo, izay nambara fa resaka stratejia sy taktika.

Efa matotra mantsy ny fiarahan’ireo mpilalao niatrika ny lalao, tetsy Mahamasina. Porofon’izany, nandresy ny Fosa Juniors, tamin’ny isa 4 no ho 0, ry zalahy omaly talata, nandritra ny fanomanana farany.

Nohamafisina tamin’izany ny famonoam-baolina sy ny fanafihana. Tsy hiaro tena mantsy fa hanafika, ny paikady, entina miatrika ny Malaoita. Na dia efa manantombo amin’ny isa 1 no ho 0 aza ny Barea dia tsy hionona amin’izany, fa hiezaka hamono baolina any an-tanin’olona. Vonona ireo mpilalao ary ao anatin’ny tanjany avokoa izy rehetra.

Marihina fa nanainga anikeheo tamin’ny 2 ora maraina, ny Barea de Madagascar. Araka ny fantatra, hotontosaina ny asabotsy 29 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora 30 m tolakandro, ao amin’ny kianja Bingu National Stadium any Lilongwe, ny fihaonana eo amin’ny roa tonta.

 

Tompondaka

Ny lisitr’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar :

Eddit ; Leda ; Jhonny, Tantely, Ando Cnaps Sport ; Njiva ; Lôlôdy ; Nono ; Dax ; Bila ; Mario ; Ando Ajesaia ; Boura ; Toby ; Elefoni ; Baggio ; Dino ; Rojo.

Les commentaires sont fermées.