Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Festival Libertalia » 2017 : hanome andran-tsira i Edgard Ravahatra

« Festival Libertalia » 2017 : hanome andran-tsira i Edgard Ravahatra

Hosokafana ny zoma izao etsy amin’ny amin’ny Garan’i Soarano ilay hetsika kolontsaina sady sosialy « Festival Libertalia » 2017. Mialoha izay, hanome andran-tsira ao anatin’ny seho nampisalorana ny anarana « Before » etsy amin’ny Le Buffet du Jardin Antaninarenina i Edgard Ravahatra (iray amin’ireo mpanakanto handray anjara amin’ity seho an-tsehatra goavana ity), rahampitso manomboka amin’ny 8 ora alina. Hitondra ny « album » vaovao misy ny sanganasany rahateo izy mandritra ity fanandraman-tsira ity. Raha tsiahivina, sady havanana amin’ny fitendrena gitara, famoronan-kira (feony sy tonony) ary mihira i Edgard Ravahatra. Fandrindrana tsotra kanefa mahasarika avy hatrany izay maheno izany. Anisan’ny harena lehibe ao anatin’ny sanganasany io. Na izany aza, mpanakanto nahatety firenena maro i Edgard Ravahatra. Ahitana taratra izany ny fanaovany ny karazan-kira « world music », « blues », sns. Ao amin’ireo hatrany anefa ilay aingam-panahy malagasy.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.