
Menatra amin’ny ataony noho ny « Raharaha Razaimamonjy Claudine » ? Tsy nahitana solontena ambony eo anivon’ny fitondram-panjakana, omaly tamin’ny fankalazana manetriketrika ny faha-150 taon’ny fifandraisana eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. Hany tazana teny an-toerana ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, Kolo Roger. Nanotrona izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ravalomanana Lalao. Anisan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miasa telo voalohany amintsika anefa i Etazonia, ankoatra an’i Frantsa sy ny Vondrona eoropeanina (UE) ary nitondra ny anjarany hatrany tamin’ireo loza voajanahary nosedraintsika : haintany, rivodoza… Teo koa ny fanelanelanany tamin’ireo krizy nifanesy teto amin’ny firenena, nanomboka ny taona 2002 . Manampy izany ny tohana ataon’ny Amerikanina eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fanabeazana. Tsy nisy nipoitra teny an-toerana ny mpitondra nefa jobily lehibe sy manan-danja izany faha-150 taona ho an’ny firenena roa tonta izany. Farafahakeliny, tokony ho tonga niatrika izany ny minisitry ny Fahasalamana sy ny avy amin’ny Fanabeazam-pirenena raha nandefa solontena, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly kosa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Manao rodobe sy delagasiona mafonja mihitsy anefa ny mpitondra amin’ireny fitokanana madinidinika etsy sy eroa ireny, raha tokony ho anjaran’ny ben’ny Tanàna sy ny sefo distrika izany.
Very an-javony ny volam-bahoaka…
Tsiahivina fa efa nanepoka tsy nipoitra tahaka izany ireo mpitondra, anisan’izany ny minisitry ny Fitsarana, tamin’ny nanoloran’ny ambasadaoro frantsay sy ny sehatra iraisam-pirenena fitaovana ho an’ny Bianco, teny Ambohibao, herinandro vitsy lasa izay.
Araka izany, tsy mazava ny tian’ny mpitondra hahatongavana. Midika ho fitsabahana na fanohintohinana ny fiandrianam-pirenentsika ve ny maha sarotiny ny iraisam-pirenena amin’ny vola nomeny nefa voahodinkodina ? Vola avy any am-paosin’ny vahoaka amin’ny fireneny avy anefa ireny ary natao ho an’ny vahoaka malagasy. Very an-javony izany noho ny kolikoly ka tsy eken’izy ireo ary anehoany hevitra ankolaka na mivantana hatrany.
Randria
Les commentaires sont fermées.