Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa nahazoany volabe… : mpisoloky gagilahy milaza fa manofa fiaramanidina

Efa nahazoany volabe… : mpisoloky gagilahy milaza fa manofa fiaramanidina

 Tsy kely lalana ny ratsy. Mpisoloky gagilahy voasambotry ny polisy avy eny amin’ny faritany Ambohidahy ny asabotsy lasa teo, teny Analakely. Fitoriana efatra no mahakasika ilay tovolahy vao 26 taona ao amin’ny polisy. Ny voalohany, tamin’ny volana jona 2015; misy olona fantany fa mpanafatra entana avy any Azia ka noteneniny fa afaka mivarotra izany eto an-toerana izy. Naka entana mitentina 2 tapitrisa Ariary izy ka rehefa azony ilay entana, tsy hita izay misy azy. Rehefa antsoina amin’ny findainy ingahirainy milaza fa mbola mivarotra ireo entana, avy eo anefa tsy tratra antso intsony.

Ny faharoa, misy olona ihany koa nakany “ordinateur portable” miisa roa izay mitentina 600.000Ar ka rehefa azony koa ireo entana ireo, nanjavona izy. Ny fahatelo, milaza amin’ny olona izy fa mpanamory fiaramanidina ka misy “heure de vol” tsy maintsy henjehiny. Milaza izy fa 6 tapitrisa Ar ny karamany amin’izany. Nakany vola 16 tapitrisa Ar ilay olona norebirebeny ity, mba hanofany fiaramanidina amin’ny andron’ny Paka sy ny alatsinain’ny Paka. Io vola io no nambarany fa handoavany ny hofany sy hividianany solika. Rehefa azony ilay vola, iny izy no tsy hita indray. Ny farany teo, nikasa ho mpamily tamina olona iray izy, nilaza tamin’ny mpampiasa azy izy fa simba ilay fiara ka tsara raha amidy fa hoe mahita fiara tsara izy. Rehefa lafo ilay fiara, nakany vola 5 tapitrisa Ar ireo mpampiasa azy, tsy hita ihany koa izy avy eo. Efa tototry ny fitoriana izy ity ka tratra tampoka. Natolotra ny fampanoavana omaly.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.