Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“America Week” : mahaliana ny tanora ny fianarana any Etazonia

“America Week”  : mahaliana ny tanora ny fianarana any Etazonia

Misokatra ho an’ny rehetra hatry ny omaly ary hitohy anio ny “America week” izay tanterahina etsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely. Fanamarihana ny faha-150 taona niarahan’i Etazonia sy i Madagasikara niasa ity hetsika ity.

Omaly, nisy ny vela-kevitra fampahafantarana ny asan’ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Peace Corps Madagascar. Teo koa ny resaka momba ny fahazoana Visa fivahinianana, na DV Lottery. Ankoatra izany ny Visa ho an’ny mpianatra sy ny Visa ho an’ny fifindra-monina mankany Etazonia.

Nahaliana ny maro koa ny famelabelaran-kevitra momba ny fanohizana fianarana mankany Etazonia izay nofinofin’ny tanora Malagasy maro.

Ao anatin’ity “America Week” ity ihany koa no hahafantarana ny ICTE na ny Centre Valbio Ranomafana. Miantsehatra amin’ny sehatry ny fahasalamana amin’ny alalan’ny USAID koa ny Amerikanina eto amintsika. “Miasa mba hanafoana ny antony tsy azo ialana mahatonga ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza” no tarigetra amin’izany.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.