Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny kolikoly amin’ny lalam-pirenena : hajoro ny komity mpanara-maso itambarana

Ady amin’ny kolikoly amin’ny lalam-pirenena  : hajoro ny komity mpanara-maso itambarana

“Hametraka komity mpanara-maso izahay, izay hiarahana amin’ny zandary sy ny polisy, ny minisiteran’ny Fitaterana, ny ACT, ny Bianco. Tokony ho tafiditra amin’izany koa ny minisiteran’ny Varotra, satria misy entana mety mahakasika kolikoly, ny kojakoja fanolo izay miteraka lozam-pifamoivoizana sy fatiantoka ho an’ny mpitatitra.”

Io no nambaran’ny filohan’ny Fikambanan’ny mpitatitra malagasy (Astram), Rakotondrafara Fredinard, tamin’ny fihaonan’ny mpampiasa ny lalam-pirenena RN 2 sy RN 7, niarahana tamin’ny firaisamonina sivily hetsika Rohy, ao anatin’ny tetikasa Ady iombonana amin’ny kolikoly no arindra (Aika), teny amin’ny minisiteran’ny Fitaterana, Anosy, omaly.

Tsy hanaiky ny mpitatitra raha tsy mijoro io komity mpanara-maso hitambaran’ireo voakasiky ny raharaham-pitaterana io. Anisan’ny iharan’ny kolikoly izany na tsindry ny mpitatitra, raha ny nambarany. Amin’ny lalam-pirenena izany, na ny mpitatitra an-dRenivohitra sy  ambanivohitra na rezionaly.

Raha misy resaka momba ny kolikoly amin’ny lalana, na amin’ny fandoavan-ketra na raharaha mahakasika ny mpitatitra: matetika, rava eny antenantenany ny fitarainana.

Mbola misy ny ezaka hiaraha-manao, indrindra ny anaovana izany eo anatrehan’ny Bianco. Efa nanome toky ny mpitatitra ny Bianco fa handray andraikitra avy hatrany, raha misy fitoriana na fitarainana avy amin’ny mpitatitra.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.