
Tsy mbola fantatra na haharitra hatramin’ny rahoviana. “Efa eto amin’ny HJRA izao Razaimamonjy Claudine. Tohizanay ny fitsaboana. Tsy azo resahina fa tsiambaratelo ny aretina mahazo azy… Arakaraka ny fivoaran’ny toe-pahasalamany no hivoahany eto…”, hoy ny lehiben’ny HJRA, ny Pr Rakoto Alisoa, omaly. Tokony hotanana am-ponja vonjimaika anefa ity tandapa ity raha ny tokony ho izy.
Etsy andaniny, mbola manana antontan-taratasy efatra hafa momba ity mpanolotsain’ny filoham-pirenena ity koa ny eo anivon’ny Bianco amin’izao fotoana izao. Tsy mbola voafaritra kosa anefa ny fotoana hiantsoana azy indray eny Ambohibao. “Miandry ny fahavitan’ny fitsaboan-tenany izahay sady fanajana ny zon’olombelona izany. Hotohizana indray ny fihainoana azy amin’ireo raharaha hafa rehefa milaza ny mpitsabo fa sitrana soaman-tsara izy”, hoy ny loharanom-baovao eny anivon’ny Bianco.
Nampirisihan’ny iraisam-pirenena ny Bianco sy ny SMM
Tsiahivina fa nosamborina tetsy Mahamasina ny 3 avrily teo Razaimamonjy Claudine. Natolotra ny fitsarana miady amin’ny kolikoly (CPAC) tetsy 67 ha rehefa nohenoin’ny Bianco nandritra ny efatra andro teny Ambohibao. Namoahana didy fidirana am-ponja vonjimaika avy eo nefa torana tampoka. Nalefa tetsy amin’ny HJRA taorian’izany. Nalefa notsaboina tatsy amin’ny Nosy Maorisy ny 10 avrily teo ary izao niverina eto an-tanindrazana izao indray. Teo anelanelan’izany, nahazo laka ny fanehoan-kevitra samihafa toy ny fitakina ny hitsarana sy ny hanohizana ny raharaha momba ity mpandraharaha akaiky ny mpitondra ity. Eo koa ny tsindry ankolaka sy mivantana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fampirisihana ny Bianco sy ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM) hanohy ny asany hatramin’ny farany.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.