
Tontolon’ny hira, mikaikaika amin’ny ataon’ny piraty. Tao anatin’ny taona maromaro izay, niharan’izany ihany koa ny boky. Na somary mangingina aza ny fisian’izany, sehatra goavana no mahita faisana satria rohy tsy afa-misaraka ny fanatontosana boky iray…
Mbola tena manana ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampivelarana ny maha olona ny famakiana boky. Tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany mihitsy. Ankoatra ny fifandonana misy eo amin’ny fampiasana ny teknolojia vaovao sy ny fampiasana ny boky anefa, manana olana goavana hafa ihany koa ny tontolon’ny boky eto an-toerana. Goavana indrindra amin’ireny ny fanaovana hosoka ny boky ampiasaina tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Na izy ireny, natao dika mitovy mainty sy fotsy, na natontan’ireo mpanao hosoka, ka nampitoviany amin’ny tena izy mihitsy. Natonta tsy nanaraka ny rohim-boky ara-dalàna.
Fantatra, nandritra ny fanokafana ny «Tsenam-boky» andiany faha-13 teny amin’ny Esplanade Antaninarenina, omaly, fa efa nisy ny fintarainana nalefan’ireo mpisehatra amin’ny boky any amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina mikasika io tranga io. Vokatr’izay, hisy ny fiaraha-mandinika eo amin’ny roa tonta handinika izay tokony hatao hiatrehana ity tranga ity.
Mbola itoerana olana maro ny rohim-boky eto an-toerana. Anisan’ireny ny tsy fifankahalalana fizarana asa miainga eo amin’ny mpanoratra ka hatrany amin’ny mpamaky boky. Halafosan’ny famoahana boky. Tsy fananana sehatra matanjaka afaka manapariaka boky maro manerana an’i Madagasikara, sns.
Na izany aza, anisan’ny mila omen-danja ihany koa ny fampidirana indray ho anisan’ny filan’ny Malagasy, indrindra fa ny ankizy sy ny tanora, ny vaky boky.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.