Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seg : vita omaly ny fifamindram-pahefana

Seg  : vita omaly ny fifamindram-pahefana

Tontosa omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny Seg (Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria) roa lahy, ny Jly Paza Didier Gérard teo aloha sy ny vaovao, ny Jly Randriamahavalisoa Razafindramaitso Girard, teny amin’ny toby jly Ramarolahy Betongolo. “Hazakazaka 5000 m izy ity rahalahy; efa vitako ny 3000 m, anao ny 2000 m. Fa mety mbola hisy “course” 5000 m manaraka miandry anao anefa.“, hoy ny Jly Paza. “Tsy hisalasala haka torohevitra amina zoky”, hoy kosa ny Jly Andriamahavalisoa, Seg vaovao. “Mbola eo am-perinasa ny Seg nahavita asa ka ho voaantso amina asa hafa”, hoy kosa ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Rasolofonirina Béni.

Araka ny feo mandeha, noho ny Jly Paza namela malalaka ny zandary nisambotra an-dRazaimamonjy Claudine no anisan’ny antony nanala azy tamin’ny toerany. Hisy kosa anefa ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ataon’ny Seg vaovao anio, eny amin’ny birao fiasany eny Betongolo.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.