Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sarimihetsika fohy : nanokatra ny fifaninanana ireo “Hors champs”

Sarimihetsika fohy : nanokatra ny fifaninanana ireo “Hors champs”

Raha toa ka nahatratra 92 ireo sarimihetsika voaray, ny 22 amin’ireo ihany no nosafidina hifaninana anatin’ny “Rencontres du film court”, na ny RFC, andiany faha-12. Na izany aza, nisy sarimihetsika fohy miisa efatra nampidirina anatin’ny sokajy “Hors champs”, tamin’ity.Vao noforonina mba handrisihana ireo talenta vao, sy hanomezana sehatra ireo sarimihetsika mitondra fijery vao kanefa tsy tafiditra anatin’ny sokajy hafa izy ity.
Nanomboka omaly ny fandefasana ireo, nahitana ny “Son film, mon job”, an’i Mickäel Dominique, “Trano bongo misy ronono” an’i Seheno Miarinjatovo, “Number 9” an’ilay mpanatontosa avy any Cameroun, Bonfeu Marius ary ny “Errera” an’i Julianno Wilfred.
Nahaliana ireo mpijery tonga tao amin’ny IFM avokoa ireo nampiraisina sokajy ireo, satria samy nanana ny nampiavaka azy. Miresaka mbola an’i Samuel Eto’o, ilay mpilalao kitra kameroney, ohatra, ny “Number 9”. Maneho ny tantaran’ny mpivaro-mandeha iray, izay miezaka miady amin’ny fiainana hamelomany ny fianakaviany kosa ny “Trano bongo misy ronono”, sns.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.