Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby : hisy fifaninanam-pirenena ho an’ny sekoly

Rugby  : hisy fifaninanam-pirenena ho an’ny sekoly

Hisy fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny rugby ho an’ireo mpianatra any amin’ny sekoly. Vokatry ny fiofanana nomena ireo mpampianatra fanatanjahantena any an-tsekoly miisa 37 mianadahy avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara izany, natao ny 24 – 26 febroary lasa teo, nampanaovin’i Berthin Zoto, tomponandraikitry fampivoarana ny rugby aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana sy ny tale teknika nasionaly ary ireo mpiara-miasa ao amin’ny Malagasy Rugby niaraka tamin’ny fikambanana Terres en mêlées.

Raha ny fandaharam-potoana, hisy fifaninanana efatra mialoha ny famaranana lehibe hatao eto Antananarivo ny 25 jona. Hanatanterahana izany voalohany ny any Ambanja, ny 19 – 21 may avy eo any Matsiatra Ambony, ny 26 – 28 mey any Toliara, ny 9 – 11 jona, ary ny eto Antananarivo, ny 23 jona.

Hidona amin’ny famaranana lehibe ireo ekipa tafavoaka amin’ireo faritra ireo, izay hatao eo amin’ny kianja Makis.  Anisan’ny mpanohana ny hetsika ny BFV, Orange, Star, Fondation Société Générale, Taf, Mikéa Lodge, Tozzi Green, Salary Bay, masoivohon’i Frantsa sy ny Institut Français de Madagascar.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.