Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : hazo tokana tsy mba ala Olon-tokana tsy mba vahoaka

Tsy indray mandeha tsy indroa no ahenoana olona tokana na andian’olona na vitsy izany na maro manolotena hiteny amin’ny anaran’ny vahoaka. Na tsy mihevitra azy misandoka aza izy ireny dia diso, aiza ve dia izao rehetra mijoro izao dia afaka hanandratra ny tenany ho mpitondra tenin’ny vahoaka. Noho ny hevitra maro ka miparitaka lasa mivalam-peo ny fanenon’ny hevi-bahoaka. Ny mponina tsy ankanavaka koa moa dia manana solontena nofidiny haneho ny heviny, dia ny solombavambahoaka izany, noho izany ireo irery ihany no afaka milaza ho mpitatitra ny hevitry ny vahoaka.

Manana ny hasiny izany hoe vahoaka izany, mendrika fitandremana ny fanononana azy, tsy tokony ampiasaina isak’izay misy fivorivorian’olona izao. Iaraha-maheno amin’izao fotoana izao ny tsy fahatokisan’ny maro eto amin’ny mponina mikasika ny fanefan-dRafanjakana ny andraikiny  momba ny fiarovana ny olona sy ny fananana. Tsy mipetraka ny fandriampahalemana, mahazo vahana ny fanaovan-dratsy, mahita irika iporitsahana ny tontakely jiolahy sy dahalo samy hafa. Tsy voafehin’ny mpitandro filaminana ny tontolo manontolon’ny filaminana, toy izany koa ny ao amin’ny tontolon’ny fitsarana sy fanamaizana ny mpanao asa ratsy. Very toky ny vahoaka, misondrotra hatezerana ny maro, ary iny miha-matetika ny trangan’izany fahasosorana izany amin’ny fitsarana sy fanamelohana miafara amina famonoana ho faty izay tanterahan’ny andian’olona. Na samy very hevitra aza ny maro manoloana ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, azo lazaina fa tsy mitovy hevitra daholo ny rehetra momba ny fanaovana an’ity fitsarana maimaika an-dalambe ity, noho izany tsy afaka ho lazaina hoe fitsaram-bahoaka izy ireny. Ny filazana izany ho fitsaram-bahoaka dia mety ho fanomezana vahana io fanao io. Lasa manana ny hasina sanatria ny famonoana olona tsy an-drariny. Loharanon’ny fahefana ny vahoaka, tsy tokony hararaotina amin’ny fanitarana anefa izany fa mahavery hasina ny hoe vahoaka. Na izaho na ianao dia samy ao anatin’ny vahoaka, fa isika mitokana na mandeha irery na mitambatra dia tsy afaka hiambo ho vahoaka.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.