Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kidnapping karana, tompon’ny Conforama : saron’ny polisin’ny BC Ra-Maitre tanan-kavanan’i Djaffar

Kidnapping karana, tompon’ny Conforama  : saron’ny polisin’ny BC Ra-Maitre tanan-kavanan’i Djaffar

 Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) teny Antaninarenina, ny alarobia lasa teo Ra-Maitre, atidoha nikotrika ny fakana an-keriny teratany karana antsoina hoe Rafik Djafaraly, tompon’ny tranombarotra Conforama. Namana akaiky an’i Djaffar, raindahiny amin’ny fakana an-keriny izy…

 

Nitranga ny 11 aogositra 2015 ity fakana an-keriny ity teny Amparibe. Nohamafisin’ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy fa taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika fahefatra, voasambotra ireo roa lahy tompon’antoka tamin’izany, Giovani sy Damy Julio ka efa naiditra eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy. Taorian’izay, namoaka “delegation judiciaire” ny fitsarana hahafahana manohy ny fikarohana ireo namany. Ny alarobia 19 avrily 2017 teo, voasambotra teny Antaninarenina Ra-Maitre, isan’ireo jiolahy mbola nokarohin’ny polisy tamin’ity raharaha ity. Nandritra ny fisamborana azy, hita tany aminy ny sarin’i Saholy, vadin’i Djaffar. Mbola mamita sazy eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy noho ny resaka fakana an-keriny rahateo ity farany. Nalaina teny Tsiafahy nanaovana famotorana indray i Damy Julio izay nanamafy fa nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny an’i Rafik Djafaraly, tompon’ny tranombarotra Conforama tokoa Ra-Maitre. Araka ny fanazavan’ny polisy hatrany, ao anatin’ny tambajotran’ireo jiolahy mpaka an-keriny tarihin’i Djaffar Ra-Maitre. Izy no tena atidoha nikotrika ny fakana an-keriny ny tompon’ny Conforama, raha ny fanazavan’ny polisy hatrany. Ra-Maitre ilay namely daka ilay zandary mpiambina an’i Rafik Djafaraly ka naka ny basiny. Mitohy ny famotorana ataon’ny polisy momba ity raharaha ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.