Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama : lasa AD ny talen’ny jiro teo aloha

Jirama  : lasa AD ny talen’ny jiro teo aloha

 Voatendry ho minisitry ny Angovo ny administratera delege (AD)-n’ny Jirama teo aloha, Rasoloelison Lanto. Fantatra fa handimby ny toerany, ny tale lefitra misahana ny herinaratra teo aloha, Ndalana Nestor. Tokony ho amin’ity herinandro ity ny famindram-pitantanana eo amin’ny roa tonta.

Ankoatra ny fampandehanana ny raharaha andavanandron’ny Jirama, anisan’ny andraikitra sahanin’ny administratera delege sy ny mpiara-miasa aminy ny fikarakarana ny fandraisana ny filatsahan-kofidin’ireo maniry ho tale jeneralin’ity orinasam-panjakana ity. Tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fanafoanana na fampihenana ny delestazy, ny fanarenana ny fomba fitantanana ihany koa. Eo koa ny fifanarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka mamatsy akora na fitaovana ny Jirama, toy ny solika, ohatra.

Mitaky mangarahara ny CCOC

Etsy ankilany, mitaky ny hisian’ny mangarahara ao amin’ny Jirama ny fiombonan’ny  fiarahamonina sivily “Collectif des citoyens des organisations citoyennes” (CCOC). Amin’izy ireo, tsy ampy ny antontam-baovao hita ao anatin’ny tranonkalam-pifandraisan’ny Jirama, izay orinasam-panjakana, midika fa an’ny vahoaka. Anisan’ny tsy hita ao ny vidin’ny fanofana ny gropy amin’’ireo orinasa tsy miankina, ny vidin’ny herinaratra vidiana amin’izy ireo, ny vidin-tsolika, ny antsipiriany amin’ny fifanarahana amin’ny mpamatsy akora, ny fanampiana ara-bolan’ny fanjakana, sns.

Njaka A.

 (Tahirin-tsary)

Les commentaires sont fermées.