Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana any Frantsa : manantombo ho lany filoha i Macron

Fifidianana any Frantsa  : manantombo ho lany filoha i Macron

Mitarika amin’ny voka-pifidianana filoham-pirenena any Frantsa, fihodinana voalohany, ny kandidàn’ny « En marche », Emmanuel Macron, avy amin’ny hery ankavia. Nahazo ny 24, 01% ny tenany raha 21, 30% kosa ny an’ny « Front national » (FN), Marine Le Pen, eo anivon’ny hery farany havanana. Voka-pifidianana vonjimaika hatramin’ny omaly alina io. Hambaran’ny filankvitry ny lalàmpanorenana rahampitso ny vokatra ofisialy. Mbola mahazo tombony koa anefa ny tenany amin’ny fihodinana faharoa hatao amin’ny 7 mey izao raha miainga amin’ireo tsapan-kevitra samihafa any Frantsa amin’izao fotoana izao. Maherin’ny 65 % izany raha manodidina ny 35 % kosa ny vato mety ho azon’ny FN. Fantatra rahateo fa nifidy an’i Macron ny filoha frantsay am-perinasa, Françopis Hollande, araka ny nambarany, omaly. Mbola haneho ny heviny, manomboka anio kosa ireo kandidà valo hafa resy. Na izany aza, efa mandeha ny tombana sy ny hevitry ny sasany amin’izy ireo fa hanohana an’ity tanora vao erotrerony, 39 taona,  ity izy ireo amin’ny fihodinana faharoa.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.