Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Beach Soccer : hitsara «Mondial» i Hachim

Beach Soccer  : hitsara «Mondial» i  Hachim

Anisan’ireo notendren’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), hitsara ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny beach soccer, ilay Malagasy, Hachim Said Nassur. Fifaninanana, hotontosaina any Bahamas, ny 27 avrily ka hatramin’ny 7 may ho avy izao.

Tsy vao izao akory i Hachim no hitsara ity fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny baolina kitra lalaovina amin’ny tora-pasika ity, fa efa faninefany amin’izao. Raha tsiahivina, nitsara izany voalohany izy, nandritra ny fihaonana natao tany Italia ny taona 2011 avy eo tany Tahiti ny 2013 ary tany Portugal ny 2015, izay niarahany tamin’ny Barea de Madagascar, izay taranja iraisana voalohany teto Madagasikara, tafita tamin’izany “Mondial” izany.

Ankoatra izay, efa nitsara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can) natao tany Nizeria ny 2016 koa izy. Raha ny dingana nolalovana, efa manana traikefa tsara amin’izany fitsarana ny beach soccer izany ny tovolahy.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.