Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankorondrano : tratra ireo jiolahy mpikambana ao amin’ny vondrona mpampihorohoro

Ankorondrano  : tratra ireo jiolahy mpikambana ao amin’ny vondrona mpampihorohoro

 Nidoboka am-ponja avy hatrany ireo roa lahy voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika faharoa teny Ankorondrano, ny herinandro teo. Araka ny fanazavan’ny polisy, nisy olona tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisin’ny BC fa nahazo fandrahonana avy amin’olona iray mitonona ho mpikambana ao amin’ny vondrona mpampihorohoro Daesh. “Ho vonoinay ianao sy ny fianakavianao. Izahay dia mpikambana ao amin’ny Daesh ary manana fitaovam-piadiana marobe”, hoy ilay jiolahy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany. Nanao fikarohana avy hatrany ny polisy ka tratra tamin’ny alalan’ny fitsirihana ny finday ny jiolahy iray teny Ankorondrano. Niaiky izy fa azy tokoa ilay finday nentiny nampihorohoro ilay olona nametraka fitoriana teny amin’ny polisy. Ilay zaodahiny taloha anefa no notondroiny ho efa nampiasa ilay puce-n’io finday mialoha izao. Na teo aza izany, niaiky ireo jiolahy fa nampihoroho tamin’ny finday.

J.C

Les commentaires sont fermées.