Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampiroboroboana ny « toekarena manga »

Ampiroboroboana ny « toekarena manga »

Paikady vaovao ampandrosoana sy hiarovana ny harena an-dranomasina ny Toekarena manga. Tafiditra ao anatin’izany ny faritra Diana, manana harena an-dranomasina maro. Nambaran’ny mpitantana any an-toerana ny Conservation international, Razafimandimby Hyacinthe, fa mampiavaka ny any Antsiranana ny fisian’ny orinasa Société pêche et froid, mikirakira ny hazandranomasina. Any an-toerana irery ihany koa no ahitana ranomasimbe roa, ny ranomasimbe Indianina (OI) sy ny lakandranon’i Mozambika. Samy hafa anefa ny vokatra an-dranomasina amin’ireo roa ireo, ankoatra ny trondro. Tena fahita any amin’ny lakandranon’i Mozambika (andrefana) ny drakaka sy ny makamba, ary ny horita any amin’ny ranomasimbe Indianina (atsinanana). Tombony lehibe ho an’ny toekarena manga ireo.

Manohana ny fampiroboroboana ny toekarena manga ny minisitera roa, ny ao amin’ny tontolo iainana sy ny harena ekolojia, andaniny, sy ny ao amin’ny harena an-dranomasina sy ny jono (MRHP), ankilany. Mifameno ny asanay, hoy ny talen’ny fikajiana ny ranomasina ao amin’ny MRHP, Fanazava Rijasoa. Nanamafy izany ny sekretera jeneralin’ity minisitera ity, Andrianaranintsoa Tilahy Desiré, fa matotra ny fiaraha-miasany amin’ny mpiara-(miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF), amin’ny fanatanterahana ity paiakdy ity, toy ny Conservation international, miasa any Ambodivahibe Antsiranana, ohatra.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.