
Noresahana nandritra ny fivorian’ny mpanolotsaina monisipaly omaly fa ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo dia mijanona amin’izay anarany izay ihany. Tsy misy ny eritreritra hanaovana tsena io toerana io. Hisy rahateo ny fikolokoloana sy ny fikojakojana io kianja io. Nanazava ny kaominina fa manome alalana izay te hampiasa ny kianja saingy sakana hatrany ny fanjakana.
Tapaka tao amin’ny mpanolotsaina koa fa afaka anaovana hetsika ara-kolontsaina ny kianjan’Ambohijatovo. Ny mpanara-baovao kosa milaza fa tokony haverina ho kianja filalaovan’ny ankizy toy ny teo aloha ity toerana ity, rehefa tsy ho azon’ny olona hanaovana fanehoan-kevitra ihany.
Tsy ampy rahateo ny toeram-pialamboly ho an’ny ankizy eto Antananarivo ka voatery misitaka kely ny Renivohitra vao afaka milalao sy mihenjy ny kilonga.
Tsiahivina fa noesorina teo ireo karazana kilalao nanomboka tamin’ny fotoana nitantanan’ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao. Nandoa ny vola tokony aloany tamin’ny kaominina hatrany anefa ireo tompona kilalao teo.
Tatiana A
Les commentaires sont fermées.