
Tsy mitsaha-mitombo ny hazandrano horita isan-taona any amin’ny Tahirin-dranomasina arovana Ambodivahibe Antsiranana, hatramin’ny nametrahana fe-potoana telo volana fanakatonana ny fotoam-panjonoana. Mitombo koa ny tanàna mampihatra ity fepetra ity, satria mahatsapa ny tombontsoa azo.
Lasa fari-dranomasina arovana (kobabiagna) ny any Ambodivahibe, distrika Antsiranana II, faritra Diana, nanomboka ny taona 2007. Napetraka ny fepetra manakatona ny fotoam-panjonoana horita maharitra telo volana, nanomboka ny taona 2010. Hanatanterahana izany mandritra ny fotoana fanatodizan’ny horita, ny volana desambra hatramin’ny volana febroary. Fito taona aty aoriana, nitombo ny vokatra azon’ny mpanjono, nitombo koa ny haben’ny horita ary tsapan’ny mpanjono sy ny mponina mivantana ny tombontsoa azo. Manohana azy ireo amin’ny fanatanterahana azy ny fikambanana iraisam-pirenena, miaro ny tontolo iainana, Conservation international (CI).
Nambaran’ny mpitantam-paritry ny CI (manager) any Antsiranana, Razafimandimby Hyacinthe, fa tafakatra 6.000 kilao (6 t) ny horita azon’ny mpanjono tamin’ny fanokafana ny fotoam-panjonoana 2017, ny fiandohan’ny volana marsa farany teo. Nanombohana ity tetikasa ity ny tanàna iray ary tafakatra 12 ny fokontany ankehitriny. Resy lahatra tanteraka ny mponina sy ny mpanjono satria azo tsapain-tanana ny vokatra sy ny tombontsoa azo. Antony, nihatsara koa ny vidim-bokatra satria lasa avo roa heny (3.000 Ar ny kilao) ny vidin’ny horita raha toa ka 1.500 Ar/kg tany aloha.
Isaky ny roa herinandro ny fanjonoana horita any Ambodivahibe. Aondrana any ivelany ny 75%-n’ny horita. Firenena tena andefasana azy any Maorisy, India, Sina ary ny firenena aziatika sasany. Manodidina ny 5.000 Ar/kg ny vidiny ao an-tsenan’Antsiranana.
Festival tahirin-dranomasina arovana
Ankoatra ny fiarovana sady fampiroboroboana ny lalam-pihariana jono any Ambodivahibe, natao tamin’ity taona ity koa ny hetsika manokana Festival ny tahirin-dranomasina arovana tany Antsiranana andiany faharoa (20-21 avrily). Nahomby ny hetsika satria nitombo ny mpandray anjara, nahatratra 15 ny fikambanana nanohana. Nisy ny fanentanana, fampianarana, narahina hetsika samihafa ara-kolontsaina sy fanatanjahantena. Anisan’izany ny Carnaval, nitetezana ny tanànan’Antsiranana, nahitana mpandray anjara maro loko (mpandihy, mpanakanto, mpilalao rollers, mpitaingina bisikileta bike, filaharan’ny mpianatra sy ny fikambanam-behivavy,…). Natao tany Ambavarano koa ny lalao baolina kitra amin’ny tora-pasika (beach soccer), hazakazaka bisikileta, fampisehoana rindran-kira, sns.
Njaka Andriantefiarinesy
Les commentaires sont fermées.