Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zandarimaria : Seg vaovao ny Jly Randriamahavalisoa Girard

Zandarimaria  : Seg vaovao ny Jly Randriamahavalisoa Girard

Nalana tamin’ny toerana ny Jly Paza Didier, ka ny Jly Randriamahavalisoa Girard no sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (Seg) vaovao. Izay no tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra teny Iavoloha, omaly. Ity Seg ity izay tao amin’ny andiany faha 13, mitondra ny laharam-boninahitra “général de division”. Efa kaomandin’ny kaompania tany Manja ny tapna 1991. Ampolotaony no lehiben’ny sampandraharaha tao amin’ny toby Ratsimandrava, ary andraikitra farany notanany ny maha lefitra voalohany ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena azy ny taona 2014. Mpanolotsaina miaramila teo anivon’ny primatiora ny taona 2015, ary izao lasa Seg izao.

Araka izany, miandry izay programan’asa entin’ity Seg vaovao ity ny rehetra. Anisan’ny itodihan’ny sain’ny maro ny momba ireo mpiadina ho zandary telo maty teo am-panaovana fifaninanana. Eo ihany koa ny momba ny fitsaram-bahoaka, izay anisan’ny adidin’ny zandary ny mitandro izany. Ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra ambanivohitra, ary koa ny kolikoly mahavoatonona ny zandary hatrany. Andraikitra goavana miandry ity Segvaovao ity araka izany, ary heverina fa hisy ny fandaminana eo anivon’ny zandarimaria.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.