Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby- « Can U 20 » : nomontsanin’i Namibia 66 no ho 7 ny Makis

Rugby- « Can U 20 »  : nomontsanin’i Namibia 66 no ho 7 ny Makis

Nitolefika tanteraka. Tsy afa-nanoatra nanoloana ny Namibianina ny Makis tamin’ny lalao rugby fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sokajy « juniors », Can U 20, natao tetsy Mahamasina, omaly. Resy tamin’ny isa 66 no ho 7 ny ekipam-pirenentsika nanoloana ireto avy any Namibia ireto. Tsy teo amin’ny isa ihany fa na ny ara-batana sy ny teknika ary taktika koa aza, tena tsy afa-nanoatra ny Makis.  Nanana olana koa isika teo amin’ny « trois quart » ka nanjakan’ny vahiny tanteraka izany.

Ankoatra izany, resin’i Kenya 34 no ho 24 ny Zimbaboeanina. Hitohy ny alahady izao izany ka eo amin’ny fiadian-toerana fahatelo, hifanandrina ny Makis sy ny avy atsy Zimbaboe. Hanao ny famaranana kosa ny Kenyanina sy i Nambia, nandresy antsika, omaly.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.