Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : mandeha ila toy ny kiraron’i Beminah

Toetra tsy mendrika ny fihogahogana olona lavo, noho izay dinganina toy ny zava-pady ny fanaovana an’izany, nefa kosa tsy atao anakana ny fifanakalozan-kevitra ahafahana andinika ny fomba afaka isorohana ny fiverenan’ny toe-draharaha niseho tamin’ny famoahana antsokosoko an’i Claudine Razaimamonjy. Na tsy misy aza ny fitserana diso toerana dia takatra ao an-tsaina ny famelivelin’ny adisaina ao andohan’iny ramatoa iny. Raha mahita irika aza ahafahana hialokaloka any ivelany, na efa afaka nanilika harena any an-tany hafa aza ka tsy ho sahirana firy eo amin’ny fivelomana tsy maintsy itampifipify nohon’ny maha mpialokaloka ny tena, hafa lavitr’ilay filibana tsy refesi-mandidy fanjakazakana fahiny. Nofinofy sisa ny momban’iny, raha mody aza dia mety angidy ihany ny anjara miandry. Mafy izany mitampify tsy fidiny any lavitra satria tampo-dala-kaleha, araky ny tenin’ilay olona iray nisedra an’izany dia toy ny milevom-belona hono.

I ramatoa Claudine moa dia tsy nanana ny lazany raha tsy efa nipoitra avy ao anatina harembe, hany ka mandeha daholo izao karazana tsaho izao momban’ny fipoiran’ilay harena izay tampotampoka no nisehony ampahibemaso. Mahalasa saina. Eto amin’ny tanàna maro ny mpanefoefo tazana nanankarena tampotampoka, ary tsy miafina amin’izany. Tsy milaza akory izany fa mampiahiahy daholo ny loharanon’izany harena izany. Ny maro an’isa dia mitaraina nohon’ny fahateren’ny làlam-bola miditra any aminy, nefa tazana fa misy ireo mahita làlana midadasika. Tsy hain’ny fanjakana ve no mitetika fandaminana mba ahitan’ny tsirairay ny anjarany ? Aiza dia rafitra mitongilana lalandava maha very toky toy izao no iainana tsy misy fitsaharana. Iza no tsy mahafantatra fa misy fitaveraverana ny fitantanana ny vola-panjakana ka toy ny kitapo rovi-body ny itoerany. Manao an’izay vitany ny rafitra miandraikitra ny fanenjehana ny fanaovan-dratsy, ilaina izany fa mandeha irery ihany raha mijanona amin’ izay, tsy ny heloka sy tambajotra mpanao an’izany ihany no tanarahana. Ireo vokatra rehetra miezinezina tsy afenina, mendrika itondra  fanazavana misy porofo mikasika ny fihaviny, miaraka amin’ny fanamarinana ny nandoavana haba sy hetra mifanandrify amin’ny fitombony hatrany. Tsy vita mora ny fanaraha-maso an’izany, mila mpiasa sy fitaovana angamba indimy avo heny noho ny amin’izao fotoana izao ny sampana miadidy ny hetra. Tsy ahafaty antoka anefa izany, na matevitevina ihany aza ny entina anatanterahana an’izany dia maivana mihoatra amin’ny vola afaka antenaina ho vokatra. Tsy hay visavisaina ny vola lasa setroka alohan’ny fampidirana azy ao anaty kitapo-panjakana.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.