Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Embona sy hanina : mivoy ny tropikaly i Marlène

Embona sy hanina  : mivoy ny tropikaly i Marlène

Nisy fotoana, nipetraka tany ivelany i Marlène. Niteraka embona sy hanina ho azy izany. Nanaitra ilay talentany amin’ny famorona hira izany.  Mirona betsaka amin’ny filalaovana ireo bankira mihetsika mampiavaka ny tany mafana tahaka ny salegy, ny basesa, ary ny     sud’ af izy. Ito farany rahateo no toy ny fototra iaingan’ny kanto an-kira ataony. Vao teo amin’ny faha-9 taony rahateo izy no efa nirona tamin’ny fandihizana. Mifameno ireo talenta roa ireo ka zary mampiavaka ity tovovavy ity rehefa eny an-tsehatra.

Ireo trangam-piarahamonina amin’ny fiainana andavanandro kosa no ambaran’ny tononkiran’i Marlène. Anisan’ireny ny fitiavana. Fitetezam-paritra manerana ny Nosy, amin’ity taona ity, no handrafitra ny fandaharam-potoan’izy  14 mianadahy mandrafitra ny tarika ankehitriny. Mialoha io, efa misy ny vazo vaovao.

Ampahany amin’ireny ny “Izy no izy”, “Laweky” adika tsotra hoe : mieboebo amin’ny zavatra tsy misy akory.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.