Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy voafehy ny vidiny : manaraka ny fisondrotana koa ny vary « stock »

Tsy voafehy ny vidiny  : manaraka ny fisondrotana koa ny vary « stock »

Na teo aza ny baikon’ny filoham-pirenena hanerena ny vidim-bary tsy hihoatra ny 2.000 Ar ny kilao, ny mifanohitra amin’izany no hita eny an-tsena. Raha ny eto an-dRenivohitra, manodidina ny 2.100 Ar hatramin’ny 2.200 Ar ny kilaon’ny makalioka. Maro koa ireo mpaninjara tsy mivarotra io karazam-bary io intsony. “Lasa mifamaly amin’ny mpanjifa izahay satria tsy manambola ny isan-tokantrano ka maro ireo mimenomenona”, hoy ny mpivarotra iray etsy Anjanahary.

Vahaolana hitan’ny fitondrana ny hanafarana vary avy any ivelany. Araka ny loharanom-baovao navoakan’ny Fanaraha-maso ny vary (Observatoire du riz), laharana faha-65,  nahatratra 41.000 t ny vary “stock” nohafarana avy any ivelany nankaty Madagasikara, ny volana janoary sy febroary 2017 teo. Nentina nanentsina ny banga amin’ny vary eto an-toerana ireo. Ny mahavariana, misondrotra manaraka ny vidim-bary eto an-toerana koa ny vary “stock”. Voalaza fa tsy nihetsika firy anefa ny vidim-bary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fiandohan’ny taona 2017. Nitombo 1,2% ihany koa ny voka-bary ny taona 2016, nahatratra 749 tapitrisa t. Manodidina ny 344 dolara/t ny vidin’ny vary tonga eo amin’ny seranan-tsambo (vidiny FOB) ho an’ny vary avy any Pakistan ary 345 dolara/t ny vary avy any Thailandy.

Raha hiverenana ny vary avy eto an-toerana, manomboka miakatra ny vary (tsipala, botra, …) avy any amin’ny faritra hafa, ankoatra ny any Alaotra (mpamokatra makalioka).

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.