
“Dradradradraina hatramin’izay fa tany tan-dalàna i Madagasikara. Nefa ny fitondrana no voalohany tsy tan-dalàna. “Very fahatokisana ary tsy mankasitraka an’io fitondrana io intsony ny vahoaka malagasy.”
Io ny nambaran’ny mpitarika ny Tolona fanorenana ifotony (TFI), Rasolofo René, tamin’ny atrikasa fakan-kevitra momba ny fanorenana ifotony teny Tsiadana, ny faran’ny herinandro teo.
Mijoro ankehitriny ny komity mpanomana ny paika sy ny zotrasa fanorenana ifotony. Tsy maintsy ampahalalana ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy izany, fa tsy vitan’ny mpanao politika mivory eto Antananarivo irery. Tsy maintsy tsinjovina sy henoina ny hevitry ny Malagasy manerana ny Nosy.
Tsy misy olona mahomby, raha tsy teny ierana izay atao. Hivory indray ireo komity mpanomana miaraka amin’ireo fikambanana tratra antso, rahampitso. “Aoka tsy hitazam-potsiny fa tandindomin-doza ny firenena”, hoy izy. Potika ny firenena sy ny toekarena, tsy zarizary ny fiainam-bahoaka. Tsy mivaky loha amin’izany ny fitondrana.
Noho izany, entaniny hijoro ny vahoaka malagasy, ary sahy hiaro ny tanindrazana sy ny tombontsoa iombonana.
R. Nd.
Les commentaires sont fermées.