Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rakotoarison Jean Jacques : « Voahitsakitsaka ny lalàna… »

Rakotoarison Jean Jacques  : « Voahitsakitsaka ny lalàna… »

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversite Toamasina, Rakotoarison Jean Jacques. Niompana amin’ny tsy fanajana ny lalàna ny fanehoan-keviny. « Tena efa tafahoatra ny fisian’ny tsimatimanota. Tsy voahaja ny lalàmpanorenana ary voahitsakitsaka ny lalàna. Mahazo laka ny tsimatimanota », hoy izy. Nohitsiny fa ambonin’ny lalàna hatrany ny mpitondra. Tsy misitraka ny tokony ho tombontsoany ny olom-pirenena sy ny vahoaka. Tsy manaja ny fianianany ireo nanao izany amin’ny sehatra rehetra sy ny ambaratonga samihafa mihitsy. Tsy miaro ny tombontsoan’ny vahoaka nifidy azy ireo depiote amin’ny fandaniana ny lalàna, araka ny nambarany ihany.

Afa-bela ny trondro vaventy…

 Tsy vitan’izany. “Mbola lavitra ezaka ny ady amin’ny kolikoly. Tratra farany hatrany ireo madinika fa afa-bela kosa ireo trondro vaventy. Tsy hita taratra ny fampiharana ny lalàna. Ohatra ny « Raharaha andramena » sy ireo vato sarobidy ary ny « Raharaha Claudine ». Tena tsy tan-dalàna ny eto”, hoy ihany ity mpampianatra any amin’ny oniversiten’i Toamasina ity. Miitatra hatrany amin’ny toekarena izany. Manan-karena isika nefa tsy misitraka izany ny mponina amin’ireny faritra ireny. Ohatra ny any Maroantsetra sy Melaky na ny hafa. « Mitanila ny fampandrosoana. Tsy mijery ny laharampahamehana ny mpitondra », hoy izy.  Notsindriny fa tsy hanome vola antsika ireo mpamatsy vola raha mampanjaka ny tsimatimanota ny mpitondra, tsy mipetraka ny tany tan-dalàna. Manoloana ireo rehetra ireo, nitondra vahaolana ny tenany. « Ilaina ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny sosialy sy toekarena ary politika », hoy ity mpampianatra mpikaroka ity.

Synèse R.  

 

Les commentaires sont fermées.