Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Judo – «Afrique 2017» : nanjakan’ny Arabo ny fifaninanana

Judo – «Afrique 2017»  : nanjakan’ny Arabo ny fifaninanana

Nanjakazakan’ny firenena arabo ny andiany faha-38, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo. Fifaninanana, notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 14 – 17 avrily lasa teo.  Lasan’izy ireo avokoa mantsy ny toerana efatra voalohany, tamin’izany. «Efa nampoizina ny vokatra ary tsy tokony natao hahagaga satria telo na efa-taona lasa izy ireo no niomana. Ny antsika Malagasy, efa-bolana ny nampivondronana ireo mpikatroka ka tsy hitovy mihitsy, saingy afaka nakana traikefa tsara », hoy Andrianasoloniaiko Siteny, filohan’ny federasiona malagasin’ny judo.

Anisan’ireo nandrombaka medaly volamena betsaka, tamin’ity, ry zareo Alzerianina, izay nahazo 7. Tena nandrombahan’izy ireo fandresena betsaka ny teo amin’ny sokajy mavesatra. Matetika mantsy, adin’ny samy Arabo ny famaranana, tamin’izany. Na izany aza, tsy nitsanga-menatra i Madagasikara satria nitazona ny laharana faha-13, nahazo medaly volamena iray sy volafotsy 2, teo amin’ny fihetsika mirindra na “kata”.

Ankoatra izay, nilaza ireo mpandray anjara rehetra fa anisan’ny tsara teo amin’ny fanomanana sy fandraisana  indrindra hatramin’izay ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, notontosaina teto Madagasikara, ity. “Misaotra an’i Madagasikara afaka nampiantrano iny fifaninanana iny. Mankasitraka ny zava-bitan’ny federasiona sy ny fanjakana malagasy fa tena afa-po ny delegasiona rehetra”, hoy i Marius Vizer, filohan’ny kaonfederasiona afrikanina.

 Tompondaka

Filaharan’ireo firenena dimy voalohany :

1-Alzeria : volamena fito ; volafotsy dimy ; alimo enina

2- Tonizia : volamena telo ; volafotsy dimy ; alimo iray

3-Egypta : volamena roa ; volafotsy roa ; alimo enina

4-Maraoka : volamena roa ; volafotsy aoatra ; alimo enina

5-Kameronina : volamena iray ; volafotsy iray ; alimo dimy

 

Les commentaires sont fermées.