Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampandrosoana eny ifotony : nahazo rano ny ao Amboanana

Fampandrosoana eny ifotony : nahazo rano ny ao Amboanana

Nahazo rano madio fisotro madio ny fokontany Alarobiakely sy Ambohimanambola, kaominina Amboanana,  Arivonimamo. Fotodrafitrasa niarahana niasa tamin’ny misionera amerikanina izao notokanana ny herinandro teo izao. Teo koa ny anjara birikin’ny fokontany sy ny kaominina amin’ny fanamboarana izany. « Anisan’ireo fokontany mijaly rano eto anivon’ny kaominina  ireto fokontany roa ireto. Samy nahazo izany avokoa izy ireo. Mbola niampy efitrano fidiovana miisa telo ho an’ ny EPP Ambohimanambola aza izany… Lavitra ny fantsakana rano. Na misy akaiky aza, eny an-tanimbary… Tsy azo antoka ny fahadiovana ary manjaka ny aretim-pivalanana », hoy ny ben’ny Tanàna ao Amboanana.

Nambaran’ny depiote Rakotomanjato Rodin kosa fa mbola maro, antapitrisany, ireo mponina mivelona amin’ny rano tsy azo antoka, manerana ny Nosy. « Miantso ny fitondrana izahay mba hijery akaiky izany », hoy izy.

Tsiahivina fa mitentina 240 tapitrisa Ar  ny fanorenana ny fotodrafitrasa ka ny 10 %,  avy amin’ny mponina mpahazo tombontsoa.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.