Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe : nijoalajoala ny afo, trano 20 kilan’ny afo

Antsirabe : nijoalajoala ny afo, trano 20 kilan’ny afo

 Nitrangana haintrano mahatsiravina indray tao Mahazoarivo Avaratra Antsirabe, ny asabotsy tolakandro teo. Trano hazo fivarotana akondro ity kila hotohoton’ny afo ity. Mitentina antapitrisany maro ny fahavoazana vokatr’ity haintrano ity. Manodidina ny trano hazo 20 eo ho eo ireo kila forehitra ary tsy mbola fantatra izay antony nahatonga ny  firehetana fa ny afo efa nijoalajoala no nahataitra ireo olona teo amin’ny manodidina. Voalazan’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza, misy amin’ireo tranon’olon-tsotra ankoatra ny trano fivarotana akondro. Nalaky ny fiitaran’ny afo satria trano hazo avokoa ireo teo amin’ny manodidina, nampian’ny hafanana. Somary tara ihany koa ny fahatongavan’ny mpamonjy voina ka izay no isan’ny nampanano sarotra ny famonjena ireo traboina. Manginy fotsiny ny tsy fisian’ny firaisankina teo amin’ireo mponina satria nitazana ny fahavoazan’ny hafa fotsiny ny sasany amin’izy ireo fa tsy nanampy tamin’izao voina goavana izao.

Tampoka ny fiavian’ny loza ka tokony hitandrina hatrany ny tsirairay hialana amin’ny loza mety hitranga tampoka toy izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.