
Nandritra ny volana marsa 2017 teo, nahatratra 80.500 ny zana-kazo nambolen’ny fikambanana iraisam-pirenena WWF teto Madagasikara. Notsinjaraina telo ny hetsika, Atsimo Andrefana, Diana, Analamanga. Niisa 1.800 ny mpilatsaka an-tsitrapo nandray anjara. Namboly karazan-kazo 66.000 (acacia sy kininina) ny tany Atsimo Andrefana tamin’ny velaran-tany 60 ha, ary niisa 500 ny mpandray anjara.
Tany Diana, niisa 10.000 ny ala honko nambolena tamin’ny velaran-tany 10 ha. Lohahevitra noraisina ny hoe :”Ala honko voaaro antoky ny fiveloman-tena maharitra”. Naherin’ny 800 ny mpandray anjara, avy any amin’ny tanànan’Anjiabe sy ny manodidina.
Velaran-tany 4 ha no voavoly hazo tao amin’ny faritra Analamanga, notanterahin’ny klioba Vintsy ao amin’ny Oniversite Cntemad Antananarivo. Nahatratra 500 ny mpandray anjara, nahitana mpianatra sy mpampianatra, natao tany amin’ny kaominina Ambalavao Ampangabe. Niisa 4.500 ny hazo voavoly.
Njaka A.
Les commentaires sont fermées.