Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – «Amboara Davis» : nivarina sokajy fahatelo i Madagasikara

Tenisy – «Amboara Davis»  : nivarina sokajy fahatelo i Madagasikara

Tsy namokatra ny ekipa malagasy, teo amin’ny fiadiana ny “Amboara Davis”, iraisan’i Eoropa sy Afrika, eo amin’ny taranja tenisy ho an’ny vondrona faharoa. Nivarina any amin’ny sokajy fahatelo mantsy i Madagasikara.

 

Resin’i Finlande, tamin’ny isa 3 no ho 2,  i Madagasikara teo amin’ny fiadiana ny “Amboara Davis”, taranja tenisy ho an’ny sokajy faharoa. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Hangon Urhellutalo, Hanko Finlande.

Vokatr’izay, milatsaka any amin’ny sokajy fahatelo ny Malagasy amin’ny taona 2018. Niady ny fihaonana satria efa tany amin’ny lalao ho an’olon-tokana farany vao nivoaka ho mpandresy i Finlande, rehefa lavon’i Harri Heliovara,  tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/2 ; 6/1 ; 6/1) Andriamasilalao Lucas. Marihina fa nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny roa tonta teo amin’ireo fihaonana efatra voalohany.

Raha tsiahivina, lasan-dry zareo Finlandey ny fandresena teo amin’ny andro voalohany, izay niondrehan’i Zaka kely, tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/2 ; 6/4 ; 6/3) nanoloana an’i Patrik Niklas-Salminem.

Nanarina kosa ny Malagasy teo amin’ny lalao faharoa ka resin’i Antso, i Aero Vasa. Tsy nitohy anefa io fahombiazana io fa niondrika teo anatrehan’i Harri Heliovaara sy Henri Kontinen, tamin’ny seta 3 no ho 1, indray i Lofo sy i Antso, teo amin’ny lalao ho an’olon-droa

Nosahalain’i Antso anefa izany teo amn’ny lalao ho an’olon-tokana, rehefa nanilika an’i Patrik Niklas izy, saingy ny lalaon’i Lucas no namotsotra ny fijanonana ao amin’ny sokajy faharoa.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.