Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra : mangataka AGE ireo ligim-paritra

Kitra : mangataka AGE ireo ligim-paritra

Mbola fanontanian’ny mpitia baolina kitra hatrany ny anaran’izay hitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hatreto aloha, tsy mbola misy na iray aza, kandidà nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidina amin’izany toerana izany. Inoana fa tsy maintsy ho betsaka ny hilaza izany, manomboka amin’ity volana avrily ity. Na izany aza, misy ireo olona angatahin’ny fikambanana na mpankafy, mba hirotsaka. Ao kosa ireo izay henoheno fa kandidàn’ny filoha teo aloha ary ny hafa mety ho kandidàm-panjakana. Manoloana izany rehetra izany, mangataka ny hanatontosana fivoriambe farany izay haingana ireo filohan’ny ligim-paritra 22, izay eto Antananarivo ny ankamaroany. Araka ny fantatra, hisy fihaonan’izy ireo amin’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona, anio. Antony,  ny fanahian’izy ireo fa sao hisy “transition bis” eo amin’ny fitantanana ny federasiona, ka mba hialana amin’ny mety ho fiitaran’izao fitondrana vonjimaika izao. Tsy te hamerina ny zava-misy tamin’ny 2009 -2014 mantsy izy ireo. Araka izany, zava-dehibe ny fivoriana hitranga amin’ity alatsinainy ity.

Ity koa no fotoana, iarahaban’ireo ligy ny filohan’ny Caf vaovao.

Torcelin

(Sary tahiry)

Les commentaires sont fermées.