
Tsy mbola kivy. Nirava sahala 1 no 1 ny fihaonana teo amin’ny Cnaps Sport sy ny CRD Libolo avy any Angola, teny amin’ny kianjan’i Vontovorona ny asabotsy teo. Lalao tovana tafiditra amin’ny 1/16-n-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf.
Nampiditra ny baolina voalohany ny Angoley tamin’ny alalan’i Boukama Kaya (67mn), rehefa nifampiandry ny vodilaharan’ny Cnaps. Efa tany amin’ny fe-potoana fanampiny (+90mn) kosa vao nahakobana ny harato angoley i Njiva. Na izany aza, nanantombo teo amin’ny baolina tokony ho tafiditra ny Cnaps Sport, saingy olana hatrany ny famaranana ny fampidiram-baolina. Nanjakan’ny mpilalaon’i Typeh ny 15mn voalohany nilalaovana. Efa tany aorian’ny 28 mn kosa vao nahita ny fomba filalaon’ny ekipantsika ry Diawara ary nanomboka namezivezy baolina. Nanjakan’izy ireo ny teo afovoan’ny kianja. Nampiasa ny paikady 4-3-3 eny ambony kianja rahateo ny mpanazatra ny Cnaps teo amin’ny fizaram-potoana voalohany ka nisy fotoana banga ny afovoany.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa vao nanao totofoafo amin’ny fanafihana ny solontenantsika. Nanahirana ny Angoley ny nanakana an’i Lalaina amin’ny hazakazaka tany amin’ny ilany havanan’ny kianja.
Tsy maintsy mitady fandresena
Tokony nahatafiditra baolina roa mihitsy i Lalaina fa na avotry ny mpiandry haraton’ny CRD Libolo izany na nivoaka “corner”. Nihareraka ny vahiny, saingy nahazo aina indray rehefa nahatafiditra ilay baolina tokana. Nampidirin’i Typeh, i Eric sy Julio, nisolo an-dRaoly sy Mika avy eo. Nanova ny fomba filalao eny ambony kianja ho 4-4-2 rahateo ny solontenantsika. Nanjakan’ny Cnaps ny 10 mn farany ary nahomby izany ka nahasahala ny isa. Tsy maintsy mitady fandresena na manao sahala 2 no ho 2 ny Cnaps Sport ny 15 avrily izao, hanaovana ny lalao miverina any Estadio do Calulo, Angola raha te hiakatra amin’ny dingana manaraka
Synèse R. /Sary : Tiana
Les commentaires sont fermées.