Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ivato : lany filohan’ny Com/Tim i Fano

Ivato  : lany filohan’ny Com/Tim i Fano

 Voafidy ho filohan’ny Com/Tim eny amin’ny kaominina Ivato, ny herinandro teo, Randrianandrasana Maminiaina Fanomezantsoa (Fano). Notanterahina ny 5 avrily teo, teny an-toerana ny fifidianana ny birao handrafitra ity antoko naorin-dRavalomanana Marc ity eny Ivato. Nametraka fanamby ny amin’ny hampitomboana hatrany ny heriny sy ny tanjaky ny antoko Tim ny tenany sy ireo ekipa miaraka aminy. « Eo koa ny fisokafana ho an’ny rehetra », hoy izy. Nampanantena ny tenany fa vonona hiatrika ny fifidianana ny Com/Tim tarihiny.

Etsy andaniny, nambaran’ny depiote Rabenirina Mamy fa mamarana ny fametrahana sy fanovana ny rafitra eny ifotony amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny distrikan’Ambohidratrimo.

Tsiahivina fa anisan’ny mbola tsy miala vehana amin’ny antokon’ny filoha teo aloha ity ny eny amin’ny kaominina Ivato sy ny eo anivon’ny distrikan’Ambohidratrimo.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.