Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball – «Mada Jeunes» : nisongadina ny EHB Diana

Handball – «Mada Jeunes»  : nisongadina ny EHB Diana

Nanomboka, omaly, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball sokajy zandriny «junior» sy «cadet», lahy sy vavy.

Avy hatrany dia nisongadina teo amin’ny vokatra ny EHB avy any Diana, teo amin’ny vondrona “B”, ho an’ny “junior” lehilahy. Resin’izy ireo tamin’ny isa 42 no ho 21 ny HCJB avy any Boeny. Ry zareo avy any Mahajanga nefa no nitarika tamin’ny isa 9 no ho 7, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Marihina fa sekolin’ny handball ity ekipa ity, ary i Toto Hafany Tombondray, mpiandry tsatobin’ny ekipam-pirenena fahiny.

Nambaran-dRazafintsalama Fidèle, filohan’ny federasiona, fa afaka hitrandrahana mpilalao hiatrika ny IHF Trophy, ny toe-batana sy ny fahaizan’ireo mpilalao.

Ankoatra izay, nivoaka ho mpandresy ihany koa tao amin’ny sokajy “A” ny GPE Siteny raha nandavo ny Elite, tamin’ny isa tery 22 no ho 20 ary teo amin’ny “cadet”, lavon’ny ASRB, tamin’ny isa mazava 27 no ho 12 ny Zanakala. Hitohy anio ny fifanintsanana ho an’ity fihaoanana ity.

Torcelin / Sary : Tiana

Les commentaires sont fermées.