Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fieferana : zazalahikely nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana

Fieferana  : zazalahikely nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana

Zazalahikely vao 7 taona monja no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana teny Fieferana Avaradrano. Hita ny fatiny ny asabotsy, tao anaty lava-bato iray teny an-toerana, tokony tamin’ny 1 ora tolakandro. Nototofana fasika ary nasiana vatobe teo ambonin’ny lavaka nahitana azy. Nahitana diana novelesina ny tenany, niforitra kely ary izao nalevina tanaty lavaka izao. Ny zoma teo izy no nanomboka tsy hita ary nampilaza ny zandary ny fianakaviany. Nokarohina ary io asabotsy io vao hita faty. Ny olona nandalo teny amin’ilay toerana no nahatsikaritra zavatra hafahafa. Niantso ny fokonolona sy ny zandary ka rehefa natao ny fizahana, ny razan’ilay zaza tsy hita io ny tao.

Mandeha ny famotorana manodidina ity vonoan’olona ity. Tsy mbola fantatra izay nahavanon-doza, ary efa am-pelatanan’ny zandary ny raharaha. Efa nomena ny fianakaviany kosa ny razana. Toe-javatra mampalahelo sady mampihoron-koditra ity niseho ity. Tranga toy izao matetika ny mitarika ho amin’ny fitsaram-bahoaka, fa tsy ny fitazonana olona ambony anaovana fanadihadiana. Asa na iza no kasain’ny sasany atao fitsaram-bahoaka amin’izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.