Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe : “Angatahinay ny fanovana lalàna hisian’ny fitoniana”

Ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe : “Angatahinay ny fanovana lalàna hisian’ny fitoniana”

Lasa resabe ny fangatahan’ny mpanolotsain’ny Tanàna ireo ben’ny Tanàna amina tanàn-dehibe vitsivitsy tato ho ato. Mangataka fanovana lalàna ireo ben’ny Tanàna…

“Tsy manana mpanolotsaina maro anisa eo anivon’ny filankevitry ny Tanàna ny ankamaroan’ny ben’ny Tanàna. I Madagasikara irery ihany no misy an’izany lalàna izany. Noho izany, nangatahinay ny fanovana ireo lalàna ireo mba hisian’ny fitoniana sy fampandrosoana eo anivon’ny kaominina eto Madagasikara.”

Io ny fanambaran’ny Fikambanan’ny ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe, novakin’ny filohany, ny ben’ny Tanànan’Antsirabe, Razanakolona Paul, teny Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo. Misy mpikambana folo ny fikambanana. Nifantoka momba ny fangatahan’ny mpanolotsain’ny Tanàna fampiatoana ben’ny Tanàna ny fihaonan’izy ireo.

Raha tsy mahomby ny fangatahana na fampiatoana ataon’ny mpanolotsain’ny Tanàna amin’ny ben’ny Tanàna, tokony hisy sazy hampiharina amin’izy ireo. Soso-kevitr’ireo ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe ny fampiakarana ny lisitra faharoa amin’ny mpanolotsain’ny Tanàna. Tsy nifidy mpanolotsain’ny Tanàna fa ben’ny Tanàna ny vahoaka.

Miteraka olana ny lalàna fototra amin’ny fifidianana

 

Tsy afa-mampiato ben’ny Tanàna ny mpanolotsain’ny Tanàna. Fangatahana no azony atao, ary tokony ho marim-pototra sy ara-dalàna. Matetika ny zavatra toy ireny, miteraka fanalam-baraka ny ben’ny Tanàna izany.

“Ny lalàna fototra amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna no miteraka olana manerana an’i Madagasikara”, hoy izy ireo. Ohatra amin’izany ny fisian’ny kandidà tsy lany, nefa lasa mpanolotsain’ny Tanàna. Hany ka mamingana ny ben’ny Tanàna izay olona nofidin’ny vahoaka izany. Tsy fahavalon’ny fitondrana foibe ny ben’ny Tanàna, fa afa-kifanampy aminy amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Fantatra tamin’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Praiminisitra teny Mahazoarivo, io andro io, fa tsy mihatra ny fangatahana fampiatoana ben’ny Tanàna nataon’ny mpanolotsain’ny Tanàna amin’ny kaominina misy azy ireo. Araka izany, manohy ny asany ireo ben’ny Tanàna.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.