Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampasampito : samy maika hisongona ka nifandona ilay moto sy fiara

Ampasampito  : samy maika hisongona ka nifandona ilay moto sy fiara

Samy niezaka niala ireto moto sy fiara teny Iadiambola Ampasampito, teo amin’ny atao hoe faran’ny tamboho, ny asabotsy tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, saingy mbola niharan-doza ihany. Ilay fiara nifatratra tamin’ny tamboho teo amin’ny sisin’arabe, ilay moto nidona taminy ihany. Samy potika ny roa tonta, fa ilay tovolahy nitondra ilay Scooter kosa no voa mafy satria tapaka ny tongony. Tsy tafahetsika intsony izy io, ary voatery nalefa tany amin’ny hopitaly.

Araka ny fanazavana, mpitondra atody ilay tovolahy io ary nandeha mafy saika hisingona kamiao. Ilay fiara kosa saika hisongona taxi-be ka nifanehatra izy ireo. Samy niezaka niala saingy tsy afaka intsony. Nifandona ihany ny roa tonta ary izao namela takaitra izao.

Fahavoazana ny betsaka tamin’ity tranga ity. Tsy fitandremana kely mety amoizana aina ary izao manimba zavatra izao. Efa am-pelatanan’ny polisy ny raharaha momba ity loza ity.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.