Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambilobe : fatana 3.000 hiarovana ny ala honko

Ambilobe : fatana 3.000 hiarovana ny ala honko

Nanolotra fatana mitsitsy miisa 3.000 amin’ny vidiny mirary ny WWF sy ny fikambanana Ades, ho an’ny fianakaviana maherin’ny 2.000 ao anatin’ny fianakaviana 19 any amin’ny distrikan’Ambilobe. Nanomboka ny volana septambra hatramin’ny desambra 2016 teo ity tetikasa ity, hiarovana ny ala honko ka tsy hikapan’ny mponina azy ireny. Eo koa ny fiarovana ny hazandrano ao anatiny, foto-piveloman’ny mpanjono sy ny mponina manodidina.

Araka ny fanadihadian’ny Ades, potika ny 16%-n’ny ala honko tany Diana nanomboka ny taona 2000 hatramin’ny 2010. Maro ny olona efa mampiasa fatana mitsitsy ankehitriny, manodidina ny 1.000 isan-taona, mifanahantsahana amin’ny ala manana velarana 175 ha. Nanomboka ny taona 2014, nahatratra 5.900 ha ny fatana lafo tamin’ny vidiny mora tany Ambilobe sy ny manodidina, tombanana ho ala honko voaaro mirefy 1.032,5 ha isan-taona. Namidy ho 12.000 Ar  ny fatana mitsitsy mandeha amin’ny saribao, ary 7.000 Ar ny mandeha amin’ny kitay. Ahazoana tombony 50% amin’ny fandaniana hividianana saribao ny fampiasana fatana mitsitsy.

Njaka A.

(Sary : WWF)

Les commentaires sont fermées.