Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Traboina tamin’i Enawo : nanome fanampiana ny Cnaps

Traboina tamin’i Enawo : nanome fanampiana ny Cnaps

Toy ny fanaony amin’ny lafiny sosialy, nanolotra fanampiana ho an’ny traboina tamin’ny rivodoza Enawo farany teo ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps), omaly teny amin’ny foiben’ny BNGRC Antanimora. Nahitana, lelavola 1.110.400 Ar, savony miisa 7.506, lamba firakotra 500 ary vary 50 gony. Nanolotra ireo ny talen’ny fitantanana ara-bola sy ara-pitondrana ao amin’ny Cnaps, Rakotomila, iraky ny tale jeneraly, Arizaka Rabekoto Raoul. Nambarany fa « efa fanaon’ny Cnaps ny fanampiana ara-tsosialy satria miahy ny lafiny ara-tsosialy rahateo ho an’ny orinasa tsy miankina ny tahirim-pirenena ». Avy amin’ny mpiasan’ny Cnaps manerana ny Nosy ireo fanampiana ireo. Nandray izany ny tale misahana ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso ary ny paikady (Cervo) ao amin’ny BNGRC, Razafimandimby Heriniandry. Nankasitrahany izao fihetsiky ny Cnaps izao, tsy namela ho irery ireo niharam-boina. Nampanantena koa izy fa ho tonga soa aman-tsara any amin’ireo olona hiantefany ny fanampiana rehetra. Mifanojo amin’ny ilana azy izao hetsiky ny Cnaps izao.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.