Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : tovolahy sy karana vavy iray maty rotiky ny balan’ny jiolahy

Toamasina  : tovolahy sy karana vavy iray maty rotiky ny balan’ny jiolahy

Notafihan’ny jiolahy tsy latsaky ny enina mirongo fiadiana ny tokantrano iray ao Andranomadio parisela 11/43, ny  alatsinany 3 avrily 2017 teo tamin’ny 10 ora alina. Maty voatifitra ny tovolahy vao 29 taona raha nihevitra hiaro ny reniny nandritra ny fanafihan-jiolahy. Ny alarobia tamin’ny 12 ora antoandro kosa tao amin’ny “Cite Nouvelle Ville”  izay tsy lavitry ny biraon’ny vondron-tobin’ny zandarimariam-pirenena Atsinanana, nitrangana fahafihana mitam-piadina ihany koa. Maty voatifitra tamin’izany ny renim-pianakaviana iray 53 taona teratany karana. Raha ny angom-baovao amin’ ity faharoa ity, nandray Tuctuc avy any  Ankirihiry ilay renim-pianakaviana sy ny vehivavy malagasy iray mpanampiny hamonjy fodiana ao amin’ny cite voalaza etsy ambony. Nilaza ny loharanom-baovao fa efa nanaraka azy avy any amin’ny nalehany ireo jiolahy na koa nisy mpiray tsikombakomba fa lehilahy roa lahy manao tangin-droa nandeha moto no nanao tifitra variraraka raha vao niala ny Tuctuc nitondra azy ireo. Tsy nokitihin’ireo jiolahy kosa ilay vehivavy teratany malagasy niara-dia taminy. Tsy nisy zavatra nalain’ ireo jiolahy tany amin’ireo olona niharan’ny fanafihana fa nandositra tamin’ny moto izy roa lahy ary latsaka teo amin’ny toerana nanaovana fanafihana ny aroloha nampiasain’ireo jiolahy.  Ahina ho karazany valifaty ity tranga ity.  Ny manodidina no niantso mpitandro filaminana ka tonga teny an-toerana ny Emmo-Sécurité sady nanampy tamin’ny fitondrana ireo niharam-boina teny amin’ny Hopitalibe. Mandeha ny fanadihadina momba ity vonoan’olona feno habibiana ity.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.