Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rasolo André : “Taratry ny fahalemen’ny fanjakana very hasina ny fitsaram-bahoaka”

Rasolo André : “Taratry ny fahalemen’ny fanjakana very hasina ny fitsaram-bahoaka”

 Mbola resabe hatrany ny amin’ny firongatry ny fitsaram-bahoaka tato ho ato. Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny komitin’ny manampahaizana momba ny fampihavanam-pirenena, Rasolo André: “Taratry ny fahalemen’ny fanjakana very hasina noho ny risoriso sy ny kolikoly ny fitsaram-bahoaka.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Hisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika  amin’ny taona 2018. Ahoana ihany ity fampihavanana ity ary mbola ilaina ve?

André Rasolo (-):  Tsy afa-kanao fifidianana eken’ny rehetra isika, raha mbola mifampiahiahy toy izao ny mpanohitra sy ny mpitondra. Mandeha indray izao ny resaka fa hailika toy ny tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, tamin’ny taona 2013, Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry. Ahoana moa ny hisian’ny fifidianana madio ao anaty paipaika politika toy izany? Eo indrindra no ilaina ny fampihavanam-pirenena, hisian’ny fifanatonana, ny fiaraha-midinika sy ny teny ierana.

Tamin’ny taona 1993 irery ihany no nisy fifidianana neken’ny rehetra teto Madagasikara. Nifarana tamin’io taona io ny “premier tour” dia vita 90%. Nanomboka teo no nisian’ny fihodinana faharoa. 46,16% ny azon’ny Pr Zafy ary 29,22% ny an’ny amiraly Ratsiraka tamin’ny fihodinana voalohany, ny 25 novambra 1992. Nandresy 67,80% ny Pr Zafy, tamin’ny fihodinana faharoa, ny 10 febroary 1993. Nandefa telegrama fiarahabana azy ny amiraly Ratsiraka.

Hatramin’izao, io ihany teto Madagasikara no nahitana fifandimbiasam-pahefana demokratika. Tsy tongatonga ho azy izany fiovana lehibe izany, fa vokatry ny fanelanelanana sy ny fampihavanana tamin’izany.

* Misy milaza fa ao anatin’io lalàn’ny fampihavanam-pirenena io no hanilihana ny kandidà atahoran’ny fitondrana amin’izao fotoana izao?

– Vokatry ny ahiahy tsy ihavanana ihany izany hevitry ny mpanohitra izany. Izahay namolavola io lalàna io, tsy nikendry afa-tsy ny hitsaharan’ny krizy, ny hanamafisana ny rohim-pihavanana eo amin’ny samy Malagasy sy ny mpitondra fanjakana, ary ny hanorenana hatrany ifotony ny Repoblika malagasy izay mitsingevaheva hatramin’ny nametrahan’ny fanjakana frantsay azy.

Ilaina hazavaina manerana an’i Madagasikara ity lalàna ity mba tsy hisy tompon-trano mihono, na ny dika vilana. Natao hampihavana io lalàna io, fa tsy natao hampiady na hanilihana kandidà atahorana.

* Ahoana ny hevitrao amin’ny fitsaram-bahoaka mirongatra ankehitriny?

–  Taratry ny fahalemen’ny fanjakana very hasina noho ny risoriso sy ny kolikoly ny fitsaram-bahoaka mirongatra etsy sy eroa. Iharan’ny hatezeram-bahoaka ny olon-tsotra na ny mpitandro filaminana, izay heveriny fa meloka. Mamaly faty avy hatrany izy, fa tsy matoky ny fitsarana. Tsy fahita amin’ny tany tan-dalàna na aiza na aiza izany fahasahiana mandatsaka aina avy hatrany izany.

Mampihoron-koditra ny nitranga tany Antsakabary. Mbola eo am-panaovana famotorana foana ny fanjakana. Fa monina anaty tany tan-dalàna ve isika sa tsia? Izay indrindra no ilaina ny fanorenana ifotony ny fanjakana, mba ho fanjakana manaja ny soatoavina malagasy sy ny sata repoblikanina. Mba ho fanjakana tan-dalàna, to teny sy miasa ho an’ny soa iombonana.

* Nefa toa matoky sy manampy ny fanjakana amin’izao fotoana izao ihany ny firenena any ivelany, na eo aza izay voalazanao izay?

– Ilaina ny fisokafana any ivelany. Fa raha mbola tsy mangarahara ny fitantanana, tsy hisy vokany na inona na inona ny fanampiana azo avy any ivelany. Tsy hita pesimpesenina ny harena napetrak’Andriamanitra amin’ity Nosy ity, nefa jereo izao mahazo antsika izao. Mangetaheta ambony lakana, mahantra ambony harena. Lasa firenena mahantra fadiranovana ny firenentsika noho ny fanjakana ratsy tantana.

Mifandanja ve ny fanampiana azontsika avy amin’ny firenena vahiny sy ny harentsika miondrana an-tsokosoko any ivelany: ny hazandranomasina, ny volamena, ny vatosoa, ny andramena, ny sokatra, ny omby… ? Lasa firenena mahantra fadiranovana ny firenentsika noho ny fanjakana ratsy tantana.

Nangonin’i R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.