Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niravona ny olana : hiverina hiasa ny Seces Toliara

Niravona ny olana  : hiverina hiasa ny Seces Toliara

Tsy maintsy mandray andraikitra ny rehetra”, hoy ny minisitra Rasoazananera Monique, nandritra ny fifampinidihana nikaroham-bahaolona momba ny tanin’i Maninday nanoloana  ny fitakian’ny mpampianatra mpikarotra ato amin’ny oniversiten’i Toliara. Ny alatsinainy hariva lasa teo vao vita ny fanaovana sonia ny fehinkevitra ho famahana ny olana taorian’ny fifampiresahana nandritra ny andro maromaro. Voarakitra ao anatin’ity fehinkevitra ity ny fomba rehetra harahina hahafahana mamerina ny tany ho an’ny oniversite sy hanohizana ny fampianarana. Ny fitandroana ny filaminana eny Maninday no asa maika hapetraka avy hatrany mba hifehezana ny filaminana eny an-toerana. Ahitana andalana  17 ny fehinkevitra  mirakitra ny dingana hatao rehetra sy ny tomponandraikitra misahana izany ary ny tetiandro hanatanterahana ny asa. Indroa miantoana ny fivoriana, teny amin’ny lapan’ny Faritra sy ny  fihaonana tamin’ny mpampianatra niafara tamin’ny fanaovan-tsonia io fifanarahana io.  Talohan’io, nisy ny vaky bantsilana nataon’ireo mpampianatra sy ny fokonolona momba ny tany eny Maninday, teny amin’ny biraon’ny Faritra, manoloana ny tsy fandriampahalemana, Nanambara ny ben’ny Tanànan’i Mitsinjo Betanimena, fa tsy hisy olona ho sahy hanakorontana satria efa voafehin’ny dinabe ny fokonolona.

Amin’ny alatsinainy ny fidirana

Taorian’ny fanaovan-tsonia, nanao fanambarana ny filohan’ny Seces Toliara fa amin’ny alatsinainy ho avy izao no hitohy ny fampianarana sy koa fotoana ahafahana manara-maso ny fanatanterahana ny dingana. Taorian’izay, mbola nanamafy ny minisitra fa tokony ho amin’ny alalan’ny fifampiresahana ny famahana olana ho fitandroana ny sosialy.

CMS

Les commentaires sont fermées.