Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetra ACD : “Tsy nanaraka fepetra ny ATPMS”, hoy ny Gem

Hetra ACD : “Tsy nanaraka fepetra ny ATPMS”, hoy ny Gem

Naneho hevitra tao amin’ny fandaharana “Ambarao” ao amin’ny radio Alliance 92, Rtoa Andriamamonjiarison Noro, filohan’ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem), ny alatsinainy teo. Mikasika ny hetra Advanced Cargo Declaration (ACD), teren’ny fitondrana  ampiharina, nohitsiny fa tsy nisy ny fakan-kevitra amin’izy ireo na efa natsangana aza ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Aminy, tsy manara-penitra ny orinasa vahiny ATPMS, nampiandraiketina ny ACD, hanaraha-maso ny firaovana ny seranan-tsambo satria tsy manaraka ny fepetra mifehy ny tsenambaro-panjakana. Mahatsikaritra koa izy fa tsy hita soritra ny maha matihanina amin’ny fanatanterahana ity ACD ity. Toy ny fanaovana ny faktiora amin’ny taratasy kely, tsy manara-dalàna, ary ny tena mahataitra, arotsaka amin’ny kaonty amin’ny banky any ivelany, any Dubai ny vola, nefa fiarovana ny seranan-tsambo eto amintsika no atao sady aloa amin’ny vola ariary.

Manara-maso antsika ny iraisam-pirenena

Mampiahiahy ny Gem koa ny fampiasana ny vola azo amin’ny ACD. “Andaniana vola antapitrisany ny fanomezana asa ho an’ny vahiny (consultance), ny fividianana ordinatera, fiara, sns. Tsy fantatra intsony raha tena misy na tsia ireny karazana tolotrasa samihafa avoaka amin’ny gazety ireny. Mampalahelo fa raha vao resahina ny lafiny fanjakana tsara tantana sy ny mangarahara, arangaranga foana ny hoe fiandrianam-pirenena. Midika ve izany fa avela hangalatra eto amin’ny tanintsika ny vahiny? Na koa ahodina amin’ny zavatra hafa ny hetra aloan’ny vahoaka? Misy fepetra sy lalàna tsy maintsy arahina. Faly isika fa nahazo ny famatsiam-bola Findramam-bola nohamoraina (Fec) avy amin’ny FMI, nahazo tohana tamin’ny Fivoriamben’ny mpampiasa vola iraisam-pirenena (CBI), saingy mitaky sy mampahatsiahy antsika ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika hanaja ny fitsipika. Rariny mihitsy raha manara-maso ny olom-pirenena eoropeanina satria avy amin’ny hetra aloan’izy ireo ny fanampiana ara-bola tsy averina avy amin’ny UE”.

Mikasika ny fampidiran-ketra, “izaho mahalala fa misy kaontenera maro miditra eny amin’ny seranan-tsambo nefa tsy ampandoavina haban-tseranana”, hoy ihany izy.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.